Job 33

1Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra. 2Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako. 3Ny hitsim-poko no hiseho amin’ ny teniko; Ary ny fahalalan’ ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka. 4Ny Fanahin’ Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain’ ny Tsitoha no mamelona ahy. 5Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara. 6Indro, izaho koa mba an’ Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin’ ny tanimanga. 7Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao. 8Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon’ ny teninao hoe: 9Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka; 10He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho; 11Mampiditra ny tongotro eo amin’ ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra. 12He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ ny zanak’ olombelona. 13Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ ny ataony
Na: Noho ny tsy amaliany ny tenin’ olombelona?
?
14Kanefa misy fanao iray itenenan’ Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ ny olona izany, 15Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana, 16Dia manokatra ny sofin’ ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy, 17Mba hampiala ny olona amin’ ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana. 18Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan’ ny fiadiana. 19Anarina amin’ ny fanaintainana eo am-pandriany koa izy sy amin’ ny fikotrankotran’ ny taolany lalandava; 20Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian’ ny fanahiny. 21Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo; 22Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina. 23Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin’ ny arivo, hanoro izay tokony halehan’ ny olona, 24Ary
Na: Dia.
hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,
25Dia ho tsara noho ny an’ ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ ny andro nahatanorany izy; 26Hivavaka amin’ Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin’ ny hafaliana, fa hampodiny amin’ ny zanak’ olombelona ny fahamarinany
Na: hamaly ny olona araka ny fahamarinany Izy.
.
27Dia hihira izy hilaza amin’ ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko; 28Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin’ ny fahitana ny mazava. 29Indro, izany rehetra izany no ataon’ Andriamanitra indroa amin’ ny olona, eny, intelo aza, 30Mba hamerina ny fanahiny tsy ho
Na: hiala.
any an-davaka, mba hihazavany amin’ ny fahazavan’ aina.
31Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangìna kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny. 32Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho; 33Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangìna tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.

Copyright information for Mg1865