Numbers 2

Ny filaharan’ ny tobin’ ny Isiraely araka ny fireneny avy

1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: 2Samy eo amin’ ny fanevany sy eo amin’ ny faneva kelin’ ny fianakaviany avy no hitobian’ ny Zanak’ Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany. 3Ary ny hitoby eo amin’ ny lafiny atsinanana, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro, dia izay momba ny fanevan’ ny tobin’ i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan’ ny taranak’ i Joda dia Nasona, zanak’ i Aminadaba; 4ary ny miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina. 5Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ Isakara; ary ny lohan’ ny taranak’ Isakara dia Netanela, zanak’ i Zoara; 6ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina. 7Dia vao ny firenen’ i Zebolona; ary ny lohan’ ny taranak’ i Zebolona dia Eliaba, zanak’ i Helona; 8ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina. 9Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Joda dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-lalana. 10Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Robena no ho eo amin’ ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan’ ny taranak’ i Robena dia Elizora, zanak’ Sedeora; 11ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina. 12Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ i Simeona; ary ny lohan’ ny taranak’ i Simeona dia Selomiela, zanak’ i Zorisaday; 13ary ny miaramilany izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina. 14Dia vao ny firenen’ i Gada; ary ny lohan’ ny taranak’ i Gada dia Eliasafa, zanak’ i Roela; 15ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina. 16Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Robena dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany. 17Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin’ ny Levita, eo afovoan’ ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin’ ny filaharany avy, araka ny fanevany. 18Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ ny lafiny andrefana; ary ny lohan’ ny taranak’ i Efraima dia Elisama, zanak’ i Amihoda; 19ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina. 20Ary ny firenen’ i Manase ho eo anilany; ary ny lohan’ ny taranak’ i Manase dia Gamaliela, zanak’ i Pedazora; 21ary ny miaramilany izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina. 22Dia vao ny firenen’ i Benjamina; ary ny lohan’ ny taranak’ i Benjamina dia Abidana, zanak’ i Gideony; 23ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina. 24Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony. 25Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin’ ny lafiny avaratra; ary ny lohan’ ny taranak’ i Dana dia Ahiezera, zanak’ i Amisaday; 26ary ny miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina. 27Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ i Asera; ary ny lohan’ ny taranak’ i Asera dia Pagiela, zanak’ i Okrana; 28ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina. 29Dia vao ny firenen’ i Naftaly; ary ny lohan’ ny taranak’ i Naftaly dia Ahira, zanak’ i Enana; 30ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina. 31Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana. 32Ireo no nalamina avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin’ izay nalamina tamin’ ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy. 33Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy. 34Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.
Copyright information for Mg1865