Proverbs 25

Ohabolana samy hafa ny amin’ ny fitondran-tena sy ny toetry ny olona marina

1Izao koa no ohabolan’ i Solomona, izay nangonin’
Heb nafindran’
ny olon’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda:
2Voninahitr’ Andriamanitra ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra. 3Ny hahavon’ ny lanitra sy ny halalin’ ny tany Ary ny fon’ ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina avokoa. 4Esory ny taim-bolafotsy, Dia hisy fanaka ho an’ ny mpanao an-idina. 5Esory ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan’ ny mpanjaka, Dia hampitoerina amin’ ny fahamarinana ny seza fiandrianany. 6Aza manandra-tena eo anatrehan’ ny mpanjaka, Ary aza mitoetra eo amin’ ny fitoeran’ ny lehibe; 7Fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara atỳ, Toy izay hatambotsotra eo imason’ ny manan-kaja izay hitan’ ny masonao. 8Aza maika handeha hiady, Fandrao tsy ho fantatrao izay hataonao amin’ ny farany, Rehefa omen’ ny namanao henatra ianao. 9Miadia ihany ny adinao amin’ ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian’ ny sasany holazaina, 10Fandrao izay mandre hanondro maso anao, Ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy. 11Ny teny atao amin’ ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra
Na: poma volamena misy ravaka volafotsy.
.
12Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara Ny mpananatra hendry, raha amin’ ny sofina mihaino. 13Toy ny hatsiaky ny oram-panala amin’ ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny iraka mahatoky amin’ izay naniraka azy, Fa mamelombelona ny fon’ ny tompony izy. 14Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana Ny olona izay mirehaka amin’ ny fizaram-bava. 15Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary ny vava
Heb lela.
malefaka mahatapa-taolana.
16Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao, Fandrao voky loatra ianao ka handoa azy. 17Aza miditra matetika ao an-tranon’ ny namanao, Fandrao tofoka anao izy, ka ho halany ianao. 18Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra Ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany. 19Toy ny nify nahasimatsimahana sy ny tongotra mangozohozo Ny fahatokiana ny mpamitaka amin’ ny andro fahoriana. 20Toy ny miala lamba amin’ ny hatsiaka, Ary toy ny vinaingitra amin’ ny sirahazo, Dia toy izany ny mikalo amin’ ny malahelo am-po. 21Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny; 22Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao. 23Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, Dia toy izany, ny lelan’ ny mpifosa mampahavinitra endrika. 24Aleo mitoetra eo an-joron’ ny tampontrano Toy izay miray trano amin’ ny vehivavy tia ady. 25Rano mangatsiaka amin’ ny fanahy reraka Ny filazana soa avy any an-tany lavitra. 26Loharano voahosihosy sy fantsakana simba Ny marina izay mikoy ny ratsy fanahy, 27Tsy tsara raha mahery homana tantely; Fa ny fitadiavan’ ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra
Na: Fa ny fandinihana izay sarotra dia voninahitra (na: mavesatra)
.
28Tanàna rava tsy misy manda Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.

Copyright information for Mg1865