Proverbs 26

1Toy ny oram-panala amin’ ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin’ ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy tandrifiny ho an’ ny adala. 2Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany. 3Ny karavasy ho amin’ ny soavaly ny lamboridy ho amin’ ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin’ ny lamosin’ ny adala. 4Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao. 5Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy 6Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala. 7Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ ny adala. 8Toy ny manisy vato eo amin’ ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala. 9Toy ny tsilo eny an-tànan’ ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ ny adala. 10Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo
Na: Toy ny mpandefa zana-tsipìka mahavoa ny olona rehetra, Dia toy izany ny manakarama ny adala sy manakarama izay sendra mandalo.
.
11Toy ny amboa miverina amin’ ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin’ ny hadalany. 12Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy. 13Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana, Misy liona atsy an-dalambe. 14Toy ny varavarana mihodìna amin’ ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin’ ny fandriany, 15Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin’ ny vavany dia mahasasatra azy. 16Ny kamo manao ny tenany ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara. 17Izay mandalo ka mitsaraingona amin’ ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin’ ny sofiny. 18Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana, 19Dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko? 20Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana. 21Toy ny arina atao amin’ ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin’ ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana. 22Ny tenin’ ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra. 23Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy
Heb mirehitra.
sy ny fo ratsy.
24Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin’ ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony; 25Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony. 26Ny lolompo dia miafina ao amin’ ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso. 27Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany kosa. 28Halan’ ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.

Copyright information for Mg1865