Psalms 8

Ny voninahitr’ Andriamanitra, sy ny voninahitra nomeny ny olombelona

Ho an’ ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon’ i Davida.

1

2Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra! nataonao eny amin’ ny lanitra ny voninahitrao. 3Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy. 4Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, 5Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no amangianao azy? 6Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. 7Efa nampanjakainao amin’ ny asan’ ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ ny tongony, 8Dia ny ondry aman’ osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa, 9Mbamin’ ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina, izay mandeha amin’ ny lalan-dranomasina. 10Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra!
Copyright information for Mg1865