2 Corinthians 5

1Fantantsika fa raha rava ny fonenana eto an-tany izay itoerantsika, dia manana trano avy amin’Andriamanitra isika. Izany dia trano tsy nataon’ny tanan’olombelona, fa trano mandrakizay, any an-danitra. 2Fa eto amin’ity trano-lay ity isika no misento, maniry mafy ny hitafy ny fonenatsika any an-danitra. 3Maniry mafy izany isika satria amin’ny fanaovantsika izany dia tsy ho hita mitanjaka isika.

4Fa raha mbola eto amin’ity trano-lay ity tokoa isika, dia misento, mavesatr’entana. Tsy te hitanjaka isika. Fa kosa, te hitafy isika, mba ho atelin’ny fiainana izay mety maty. 5Ilay Iray izay nanomana antsika ho amin’izany zavatra izany indrindra dia Andriamanitra, izay nanome antsika ny Fanahy ho fanambarana izay ho avy.

6Noho izany dia mahatokia hatrany. Tongava saina fa rehefa ao an-trano amin’ny vatana isika, dia lavitra ny Tompo. 7Fa mandeha amin’ny finoana isika, fa tsy amin’ny fahitana. 8Noho izany dia manana fahatokiana isika. Aleontsika lavitry ny vatana fa ao an-trano miaraka amin’ny Tompo.

9Ka dia ataontsika tanjona izany, na any an-trano isika na lavitra izany, mba hahafinaritra Azy. 10Fa isika rehetra dia tsy maintsy hiseho eo alohan’ny seza fitsaràn’i Kristy, mba mety ahazoan’ny tsirairay izay mifanaraka amin’ireo zava-bita tao amin’ny vatana, na ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy.

11Noho izany, ny fahafantarana ny tahotra ny Tompo, no handresentsika lahatra ny olona. Ny maha isika antsika dia hitan’Andriamanitra mazava. Antenaiko fa mazava amin’ny feon’ny fieritreretanareo ihany koa izany. 12Tsy miezaka ny handresy lahatra anareo indray izahay mba hijery anay tahaka ny mahitsy fo. Fa kosa, manome antony ho anareo hirehareha nohon’ny aminay izahay, mba hanananareo valin-teny ho an’ireo izay mirehareha ny amin’ny endrika ivelany fa tsy ny amin’izay ao am-po.

13Fa raha very saina izahay, dia ho an’Andriamanitra izany; ary raha tonga saina tsara izahay, dia ho anareo izany. 14Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria azonay antoka ny hoe: nisy olona iray maty ho an’ny rehetra, ary noho izany dia maty ny rehetra. 15Maty Izy ho an’ny rehetra, mba tsy ho velona ho an’ny tenan’izy ireo intsony ireo izay velona fa ho Azy izay maty ary natsangana nohon’ny ftiavana azy ireo.

16Noho izany antony izany, manomboka izao dia tsy mitsara na iza na iza araka ny fomban’ny olombelona isika, na dia efa nijery an’i Kristy tahaka izany aza isika taloha. Fa ankehitriny isika dia tsy mitsara na iza na iza tahaka izany intsony. 17Noho izany, raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy. Efa lasa ireo zavatra taloha. Indreo, fa efa tonga vaovao izy ireo.

18Ireo zavatra rehetra ireo dia avy amin’Andriamanitra. Nampihavaniny tamin’ny Tenany tamin’ny alalan’i Kristy isika, ary nomeny antsika ny asa fanompoan’ny fampihavanana. 19Izany hoe, ao amin’i Kristy Andriamanitra no mampihavana izao tontolo izao amin’ny Tenany, tsy manisa ny fahadisoan’izy ireo amin’izy ireo. Nankininy taminay ny hafatry ny fampihavanana.

20Koa voatendry ho mpisolon-tenan’i Kristy izahay, toy ny hoe amin’ny alalanay no hanaovan’Andriamanitra ny fiantsoany. Miangavy anareo izahay, noho i Kristy: “Mihavàna amin’Andriamanitra!” Nataony tonga sorona ho an’ny fahotantsika Kristy. Izy ilay Iray izay tsy nanota mihitsy. Nataony izany mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika.

21

Copyright information for PltULB