Ephesians 3

1Noho izany, izaho Paoly, dia gadran’i Kristy Jesosy ho anareo Jentilisa. 2Ataoko fa naheno ny fitantanana ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo ianareo.

3Manoratra araka ny fanambarana nampahafantarina ahy aho. Izany no marina miafina momba izay nosoratako fohifohy taminareo. 4Rehefa mamaky izany ianareo, dia ho afaka ny hahazo ny fomba fahazoako izany marina miafina momban’i Kristy izany. 5Tamin’ireo taranaka hafa dia tsy natao fantatry ny zanak’olombelona izany marina izany. Fa ankehitriny kosa izany dia nambara tamin’ny alalan’ny Fanahy tamin’ireo Apostôly sy ireo mpaminaniny izay voatokana ho amin’ity asa ity.

6Izany marina miafina izany dia milaza fa ireo Jentilisa dia mpiara-mandova, sy mpiara-miombona amin’ny vatana, ary mizara ny fampanantenana ao amin’i Kristy Jesosy amin’ny alalan’ny filazantsara izy ireo. 7Fa lasa mpanompon’izany filazantsara izany aho tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra nomena ahy tamin’ny alalan’ny fiasan’ny heriny.

8Nomen’Andriamanitra ahy izany fanomezana izany, na dia izaho aza no farany kely indrindra amin’ireo olo-masin’Andriamanitra. Izany fanomezana izany dia ny mba hitoriako amin’ireo Jentilisa ny filazantsaran’ny haren’i Kristy saro-katsahina. 9Ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra ho ahy dia ny hitondrako fanazavana amin’ny olon-drehetra ny fandaharan’Andriamanitra. Io fandaharana io dia nafenin’Andriamanitra, ilay nahary ny zavatra rehetra, nandritra ny taona maro taloha.

10Nampahafantarina tamin’ny fiangonana izany fandaharana izany mba hahatonga ireo mpanapaka sy ireo manam-pahefana any an-danitra hahalala ny toetra maron’ny fahendren’Andriamanitra. 11Nitranga araka ny fandaharana mandrakizay izay tanterany tao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika izany.

12Fa ao amin’i Kristy no ananantsika fahasahiana sy lalana am-pahatokiana nohon’ny finoantsika Azy. 13Noho izany miangavy anareo aho mba tsy ho kivy nohon’ny fijaliako ho anareo, izay voninahitrareo.

14Noho izany dia mandohalika eo anatrehan’ny Ray aho, 15izay nanome anarana ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy eto an-tany. 16Mivavaka aho mba hanomezany anareo, araka ny haren’ny voninahiny, mba hatanjaka amin-kery amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, izay ao aminareo.

17Mivavaka aho mba hitoetra ao am-ponareo amin’ny finoana Kristy, mba hifototra sy hiorina ao amin’ny fitiavany ianareo. 18Hahazo hery anie ianareo ka ho afa-mahatakatra, miaraka amin’ireo mpino rehetra, ny sakany, ny halavany, ny hahavony, ary ny halaliny, 19ary mba hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra ny fahalalana rehetra, ka mba ho fenon’ny fahafenoan’Andriamanitra rehetra ianareo.

20Ary ho Azy izay mahavita manao mihoatra izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika, araka ny hery izay miasa ao anatintsika, ho Azy ny voninahitra ao amin’ny fiangonana ary ao amin’i Kristy Jesosy hatramin’ny taranaka rehetra mandrakizay doria. Amena.

21

Copyright information for PltULB