1 Kings 20
Ny nandresen’ i Ahaba indroa an’ i Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria
1Ary Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, namory ny miaramilany rehetra, koa mpanjaka roa amby telo-polo mbamin’ ny soavaly sy ny kalesy no niaraka taminy; dia niakatra izy ka nanao fahirano an’ i Samada ary namely azy. 2Ary nandefa iraka ho any amin’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, tany an-tanàna izy 3hanao aminy hoe: Izao no lazain’ i Beni-hadada: Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy; ary ny vadinao aman-janakao, na dia ny tsara tarehy indrindra aza, dia ahy koa. 4Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely namaly hoe: Eny marina ny teninao ry mpanjaka tompoko ô: anao aho sy izay rehetra ananako. 5Dia niverina indray ny iraka ka nanao hoe: Izao no tenin’ i Beni-hadada: Naniraka tatỳ aminao aho nanao hoe: Ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vadinao aman-janakao dia omeo ahy; 6koa raha maniraka ny mpanompoko ho atỳ aminao aho rahampitso toy izao, ka savany ny tranonao sy ny tranon’ ny mpanomponao, dia horaisin’ ny tànany sy ho entiny avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona. 7Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely nampaka ny loholona rehetra amin’ ny tany ka nanao hoe: Masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila sotasota mihitsy ilehiny; fa efa naniraka tatỳ amiko izy haka ny vadiko aman-janako mbamin’ ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko. 8Ary hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra taminy: Aza mihaino na manaiky. 9Ka dia hoy Ahaba tamin’ ny irak’ i Beni-hadada. Lazao amin’ ny mpanjaka tompoko hoe: Izay rehetra nanirahanao tany amiko mpanomponao tamin’ ny voalohany dia hataoko; fa izao zavatra izao kosa tsy azoko ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny niverina tany amin’ i Beni-hadada indray; 10ary izy naniraka tany aminy ka nanao hoe: Hataon’ ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy eran-tànan-ila akory ny vovok’ i Samaria amin’ ny isan-olona manaraka ahy. 11Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely namaly hoe: Izao no holazainao aminy: Aoka izay vao misikìna tsy mba hirehareha tahaka ny efa mamaha. 12Ary rehefa ren’ i Beni-hadada izany teny izany, raha mbola nisotro tao an-trano rantsan-kazo izy sy ireo mpanjaka, dia hoy izy tamin’ ny mpanompony: Milahara ianareo. Ary dia nilahatra hamely ny tanàna izy. 13Ary, indro, nisy mpaminany nanatona an’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, ka nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hitanao va ireo olona maro be rehetra ireo? Indro, hatolotro eo an-tananao ireo anio; dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah. 14Ary hoy Ahaba: Amin’ iza? Ary hoy izy: Izao no lazain’ i Jehovah: Amin’ ny zatovon’ ny komandin’ ny fanapahana isan-tokony. Dia hoy izy: Iza ary no hamely aloha? Hianao ihany, hoy izy. 15Ary nandamina ny zatovon’ ny komandin’ ny fanapahana isan-tokony izy, ka roa amby telo-polo amby roan-jato no isany; ary manarakaraka izany, dia nandamina ny olona rehetra izy, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka fito arivo no isany. 16Ary nivoaka izy nony nitataovovonana ny andro. Fa Beni-hadada nisotro ho mamo tao an-trano rantsan-kazo, dia izy sy ireo mpanjaka roa amby telo-polo izay nanampy azy. 17Ary ny zatovon’ ny komandin’ ny fanapahana isan-tokony nivoaka voalohany; ary Beni-hadada naniraka, ka dia nilazana hoe: Misy olona efa nivoaka avy any Samaria. 18Ary hoy izy: Ataovy sambo-belona izy, na ho avy hihavana, na ho avy hiady. 19Dia nivoaka avy tao an-tanàna ireo zatovon’ ny komandin’ ny fanapahana isan-totony ireo sy ny miaramila izay nanaraka azy. 20Ary samy nahafaty olona iray avy izy rehetra; dia vaky nandositra ny Syriana, ka nenjehin’ ny Isiraely; ary Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, nandositra an-tsoavaly mbamin’ ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa. 21Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely nivoaka, dia namely: ny an-tsoavaly sy ny an-kalesy, ka nahafatesany be dia be ny Syriana. 22Ary ilay mpaminany nankany amin’ ny i mpanjakan’ ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Mahereza tsara, ary fantaro sy izahao izay ataonao; fa raha miherina ny taona, dia hiakatra indray ny mpanjakan’ i Syria hiady aminao. 23Ary hoy ny mpanompon’ ny mpanjakan’ i Syria taminy: Andriamanitry ny havoana ny Andriamanitr’ izy ireo, koa izany no nahareseny antsika; fa aoka ange isika hiady aminy eny an-tany lemaka, raha tsy ho resintsika izy e.! 24Koa izao zavatra izao no ataovy: Esory ny mpanjaka samy hiala amin’ ny toerany avy, ka asio mpanapaka hisolo azy; 25ary ianao kosa dia makà miaramila ho anao toraka ny miaramilanao izay maty teo ary soavaly ho solon’ ny soavaly sy kalesy ho solon’ ny kalesy; ary hiady aminy eny an-tany lemaka isika, ka dia hahery noho izy tokoa. Ary nanaiky ny tenin’ ireo izy, ka dia nataony izany. 26Ary nony niherina ny taona, dia nandamina ny Syriana Beni-hadada ka niakatra nankany Afeka hiady amin’ ny Isiraely. 27Ary ny Zanak’ Isiraely rehetra kosa dia nalamina sy novatsiana, ka dia lasa hiady aminy; ary ny Zanak’ Isiraely nitoby tandrifiny toy ny osy andiany kely roa toko; fa ny Syriana kosa nanenika ny tany. 28Ary nanatona ilay lehilahin’ Andriamanitra ka nilaza tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria ny Syriana nilaza hoe: Andriamanitry ny havoana ihany Jehovah, fa tsy mba Andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao ireo olona maro be rehetra ireo, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah. 29Dia nitoby mifanandrify hafitoana izy roa tonta. Ary tamin’ ny andro fahafito, dia raikitra ny ady; ary ny Zanak’ Isiraely nahafaty ny miaramila an-tongotra iray hetsy tamin’ ny Syriana indray andro. 30Fa ny sisa dia nandositra nankany an-tanàna Afeka; nefa nianjeran’ ny manda ireny olona sisa ireny, ary fito arivo amby roa alina no isany. Ary Beni-hadada nandositra nankany an-tanàna ka niditra tao amin’ ny efi-trano anatiny ▼▼Na: nitsofotsofoka amin’ ny efi-trano.
. 31Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, efa renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan’ ny taranak’ Isiraely. Koa masìna ianao, avelao hosikinanay lamba fisaonana ▼▼Heb lamba malailay.
ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hankany amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izahay; angamba hovelominy ny ainao. 32Dia nosikinany lamba fisaonana ▼▼Heb lamba malailay.
ny valahany, ary nasiany mahazaka ny lohany, dia nankany amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy ka nanao hoe: Izao no fitenin’ i Beni-hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko. Ary hoy izy: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy. 33Ary nataon’ ireo olona ireo fa zara ho azy izany ▼▼Heb nanao sikidy.
, dia namonjy nanantitra ny teniny izy ka nanao hoe: Rahalahinao hoe Beni-adada. Dia hoy izy: Mandehana, alao izy. Ary Beni-hadada nankany aminy, dia nasainy niakatra ho eo amin’ ny kalesiny. 34Ary hoy Beni-hadada taminy: Ny tanàna izay nalain’ ny raiko tamin’ ny rainao dia hampodiko; ary manaova lalambe ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon’ ny raiko tany Samaria. Ary hoy Ahaba: Halefako ianao amin’ izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka nandefa azy. 35Ary nisy lehilahy anankiray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin’ ny namany araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Masìna ianao asio aho. Fa tsy nety namely azy ilay lehilahy. 36Dia hoy izy taminy: Satria ianao tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, indro, fa raha vao miala amiko eto ianao, dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy izy, dia hitan’ ny liona ka novonoiny. 37Ary nahita lehilahy hafa indray ralehilahy ka nanao hoe: Masìna ianao, asio aho. Ary ilay lehilahy namely azy, dia voa izy ka naratra. 38Dia lasa ilay mpaminany ka niandry ny mpanjaka teny an-dalana, ary nasiany fehiloha tamin’ ny handriny tsy hahafantarany azy. 39Ary nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina taminy ilay mpaminany ka nanao hoe: Izaho mpanomponao nankany anatin’ ny ady; ary, indro, nisy lehilahy anankiray nivily ka nitondra lehilahy tany amiko sady nanao hoe: Hazony ity lehilahy ity; fa raha tahìny lasa izy, dia ny ainao no hisolo ny amy, na handoa talenta volafotsy iray ianao. 40Kanjo nony nikeninkenina tetsy sy teroa ny mpanomponao, dia lasa izy. Ary hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely taminy: Ho tahaka izany ihany no hitsarana anao; ny tenanao no nilaza izany. 41Ary nesoriny haingana ilay fehi-loha tamin’ ny handriny; ka dia fantatry ny mpanjakan’ ny Isiraely fa isan’ ny mpaminany izy. 42Dia hoy izy taminy: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay nasaiko hovonoina ▼▼Heb nataoko herema.
tokoa, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony. 43Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely nandeha ho any an-tranony sady nalahelo no sosotra, dia tonga tany Samaria.
Copyright information for
Mg1865