Acts 2
Ny nilatsahan’ ny Fanahy Masìna tamin’ ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon’ i Petera tamin’ izany
1Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ ny fitoerana iray izy rehetra. 2Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. 3Ary nisy lela maro mitarehin’ afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’ izy rehetra isan-olona izany. 4Ary samy feno ny Fanahy Masìna izy rehetra, ka dia niteny tamin’ ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ ny Fanahy Masìna azy. 5Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin’ ny firenena samy hafa rehetra ambanin’ ny lanitra. 6Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin’ ny fiteniny avy izy rehetra. 7Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? 8Koa ahoana no andrenesantsika amin’ ny fitenintsika avy izay nahabe antsika 9― dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia 10sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an’ i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta, 11Kretana sy Arabo ― koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin’ ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’ Andriamanitra? 12Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr’ izany? 13Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo. 14Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin’ ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko: 15Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro. 16Fa izao ilay nampilazaina an’ i Joela mpaminany hoe: 17Ary amin’ ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin’ ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy; 18Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin’ izany andro izany, Ka dia haminany izy; 19Ary hanisy fahagagana eny amin’ ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin’ ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon’ ny setroka; 20Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan’ ny hahatongavan’ ny andron’ i Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza; 21Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’ i Jehovah dia hovonjena a. 22Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’ Andriamanitra teo aminareo tamin’ ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’ Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany, 23Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’ Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ ny tanan’ ny olona tsy tan-dalàna; 24fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ ny fahafatesana, satria tsy laitr’ izany hohazonina Izy. 25Fa Davida milaza Azy hoe: Nijery an’ i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho, 26Dia izany no nifalian’ ny foko sy niravoravoan’ ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin’ ny fanantenana; 27Fa tsy ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ▼▼Gr. Hadesy.
ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao; 28Nampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin’ ny tavanao c. 29Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin’ i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany. 30Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka ▼▼Na: hapetrany.
eo ambonin’ ny seza fiandrianany, 31koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan’ i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ▼▼Gr. Hadesy.
Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. 32Izany Jesosy izany dia efa natsangan’ Andriamanitra, ary vavolombelon’ izany izahay rehetra. 33Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ▼▼Na: ho eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra.
Izy, ary nandray tamin’ ny Ray ny Fanahy Masìna Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy. 34Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana 35Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao g. 36Koa aoka ho fantatry ny taranak’ isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’ Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. 37Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’ i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? 38Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masìna; 39fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’ izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’ i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy. 40Ary nanambara sy nananatra azy tamin’ ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin’ ity taranaka maditra ity ianareo. 41Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin’ izany andro izany. 42Ary izy ireo naharitra tamin’ ny fampianaran’ ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana. 43Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon’ ny Apostoly. 44Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra, 45ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin’ izy rehetra araka izay nilainy avy. 46Ary dia niray saina isan’ andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin’ ny fifaliana sy ny fahatsaram-po, 47nidera an’ Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin’ ny Tompo isan’ andro ho isan’ ireo.
Copyright information for
Mg1865