Amos 1
1Ny tenin’ i Amosa, izay isan’ ny mpiandry ondry tao Tekoa, dia izay hitany ny amin’ ny Isiraely tamin’ ny andro nanjakan’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andro nanjakan’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, roa taona talohan’ ny horohorontany.Ny loza hanjo ny firenena enina amin’ ny jentilisa sy ny Joda, ary indrindra fa ny Isiraely
2Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon’ i Karmela. 3Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako ▼▼Heb tsy hahemotro.
izy, satria kodia vy no nivelezany an’ i Gileada; 4Fa haterako afo ny tranon’ i Hazaela, ka handevona ny tranoben’ i Beni-hadada izany. 5Hotorotoroiko koa ny hidin’ i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina ▼▼Na: mpanapaka.
ny lohasahan’ i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan’ i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah. 6Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako ▼▼Heb tsy hahemotro.
izy, satria lasany ho babo avika ny olona hatolony ho any Edoma; 7Fa haterako afo ny mandan’ i Gaza, ka handevona ny tranobeny izany; 8Ary hofoanako Asdoda tsy hisy mponina, ary Askelona tsy hisy hitana tehina fanapahana; Dia haveriko ny tanako hamely an’ i Ekrona, ka ho faty izay sisa amin’ ny Filistina, hoy Jehovah Tompo 9Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako ▼▼Heb tsy hahemotro.
izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana; 10Fa haterako afo ny mandan’ i Tyro, ka handevona ny tranobeny izany 11Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako ▼▼Heb tsy hahemotro.
izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava; 12Fa haterako afo ao Temana, ka handevona ny tranoben’ i Bozra izany 13Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ ny taranak’ i Amona, eny, efatra aza, dia tsy havelako ▼▼Heb tsy hahemotro.
izy, satria notatahany izay bevohoka tao Gileada, hanitarany ny fari-taniny; 14Fa hampirehitra afo ao amin’ ny mandan’ i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin’ ny andro iadiana sy rivo-mahery amin’ ny andron’ ny tadio; 15Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin’ ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
Copyright information for
Mg1865