‏ Colossians 1

Fiarahabana ny Kolosiana, sy fisaorana an’ Andriamanitra noho ny toetr’ ireo

1Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, ary Timoty rahalahy, 2mamangy ny olona masìna any Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky ao amin’ i Kristy: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika. 3Misaotra an’ Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, izahay amin’ ny fangatahanay mandrakariva ho anareo, 4rehefa renay ny finoanareo an’ i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masìna rehetra, 5noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin’ ny tenin’ ny fahamarinan’ ny filazantsara, 6izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin’ izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin’ ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan’ Andriamanitra araka ny marina; 7tahaka ny efa renareo tamin’ i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon’ i Kristy mahatoky ho anay
Na: (anareo)
,
8sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin’ ny Fanahy.

Fivavahan’ i Paoly ho an’ ny Kolosiana, sy filazana ny fahalehibiazan’ ny voninahitr’ i Kristy

9Ary noho izany izahay koa hatramin’ ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin’ ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ ny Fanahy, 10mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ ny fahalalana tsara an’ Andriamanitra, 11ary ampahatanjahina amin’ ny hery rehetra araka ny herin’ ny voninahiny ho amin’ ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ ny hafaliana, 12ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ ny lovan’ ny olona masìna eo amin’ ny mazava, 13sady nahafaka antsika tamin’ ny fahefan’ ny maizina ka namindra antsika ho amin’ ny fanjakan’ ny Zanany malalany, 14Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika. 15Izy no endrik’ Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’ izao zavatra ary rehetra izao; 16fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana
Gr. seza fiandrianana.
, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany;
17ary Izy no talohan’ ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ ny zavatra rehetra. 18Ary Izy no Lohan’ ny tena, dia ny fiangonana
Gr. eklesia.
; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin’ ny maty, mba ho Lohany amin’ ny zavatra rehetra Izy.
19Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran’ ny fahafenoana rehetra, 20sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin’ ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana ― eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin’ ny tany, na ny any an-danitra. 21Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin’ ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny 22tao amin’ ny tenan’ ny nofony, tamin’ ny fahafatesana, mba hatolony ho masìna sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany, 23raha maharitra amin’ ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin’ ny fanantenana avy amin’ ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin’ ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo. 24Ankehitriny dia mifaly amin’ ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ ny nofoko izay tsy vita tamin’ ny fahorian’ i Kristy ho an’ ny tenany, dia ny fiangonana
Gr. eklesia.
,
25izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran’ Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny tenin’ Andriamanitra, 26dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin’ ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin’ ny olony masìna, 27izay efa tian’ Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren’ ny voninahitr’ ity zava-niafina ity any amin’ ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra; 28Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin’ ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin’ i Kristy izy rehetra. 29Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan’ ny herin’ ilay miasa mahery ato anatiko.
Copyright information for Mg1865