Exodus 5
Ny nihaonan’ i Mosesy sy Arona tamin’ i Farao, sy ny nampitomboan’ i Farao, ny fanompoan’ ny Zanak’ Isiraely
1Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin’ i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra. 2Fa hoy Farao: Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely. 3Ary hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; koa trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray; fandrao Izy hamely anay amin’ ny areti-mandringana, na amin’ ny sabatra. 4Ary hoy ny mpanjakan’ i Egypta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin’ ny asany? mandehana any amin’ ny fanompoanareo mafy. 5Ary hoy koa Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin’ ny tany, ka ianareo mampitsahatra azy amin’ ny fanompoany mafy. 6Ary tamin’ izany andro izany Farao nandidy ny mpampiasa ny olona mbamin’ ny mpifehy azy ka nanao hoe: 7Aza omenareo mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; fa izy ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy. 8Kanefa ny isan’ ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihany, fa aza ahenanareo; fa malaina izy, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ Andriamanitray. 9Hamafio ny fanompoan’ ny olona mba hifotorany amin’ izany, fa aza avela hihaino izay lainga foana izy. 10Dia nivoaka ny mpampiasa ny olona mbamin’ ny mpifehy azy ka niteny tamin’ ny olona nanao hoe: Izao no lazain’ i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony; 11fa mandehana ianareo ka manangona mololo any amin’ izay hahitanareo, satria tsy hahena ny fanompoanareo na dia kely akory aza. 12Dia niely eran’ ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon’ ny mololo. 13Ary ny mpampiasa nandodona azy ka nanao hoe: Vitao ny asanareo, izay anjara-fanompoana isan’ andro, tahaka ny fony mbola nisy mololo ihany. 14Ary ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely, izay notendren’ ny mpampiasa avy amin’ i Farao mba hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin’ ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha? 15Dia nankao amin’ i Farao ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no manao toy izany amin’ ny mpanomponao ianao? 16Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola asaina manao biriky ihany; ary, indreto, izahay mpanomponao no kapohina, ka manota ny vahoakanao. 17Fa hoy Farao: Malaina dia malaina ianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah. 18Ary ankehitriny, mandehana, ataovy izay fanompoanareo, fa tsy hisy mololo homena anareo; nefa ny anjara-birikinareo dia mbola hatolotrareo ihany. 19Ary hitan’ ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy hahenanareo ny isan’ ny birikinareo amin’ ny anjara-fanompoana isan’ andro. 20Ary izy ireo dia nihaona tamin’ i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin’ i Farao izy; 21dia hoy izy tamin’ izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan’ i Farao sy eo anatrehan’ ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay. 22Ary Mosesy niverina ho any amin’ i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin’ ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao? 23Fa hatrizay nankanesako tao amin’ i Farao mba hiteny amin’ ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin’ ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao.
Copyright information for
Mg1865