Genesis 17
Ny nanovan’ Andriamanitra ny anaran’ i Abrama mivady, sy ny nanendreny ny fora ho famantarana ny fanekena nataony taminy, ary ny amin’ ny hahaterahan’ Isaka
1Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan’ i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao. 2Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra. 3Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe: 4Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain’ ny firenena maro ianao. 5Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain’ ny firenena maro ianao. 6Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao. 7Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin’ ny taranakao mandimby anao hatramin’ ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho. 8Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho. 9Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin’ ny taranaka fara mandimby. 10Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. 11Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany. 12Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby: na ny ompikely, na izay novidim-bola tamin’ ny hafa firenena ka tsy avy amin’ ny taranakao. 13Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin’ ny nofonareo ho fanekena mandrakizay. 14Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy. 15Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Ny amin’ i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany. 16Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ ny firenena maro avy aminy. 17Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona? 18Ary hoy Abrahama tamin’ Andriamanitra: Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao! 19Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an’ ny taranany mandimby azy. 20Ary ny amin’ Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin’ ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe. 21Nefa ny fanekeko haoriko amin’ Isaka, izay haterak’ i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao. 22Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin’ i Abrahama. 23Koa dia nalain’ i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin’ izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain’ Andriamanitra taminy. 24Ary efa sivy amby sivi-folo taona Abrahama, raha noforana izy. 25Ary efa telo ambin’ ny folo taona Isimaela zanany, raha noforana izy. 26Androtrizay indrindra no namorana an’ i Abrahama sy Isimaela zanany; 27ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin’ izay novidim-bola tamin’ ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.
Copyright information for
Mg1865