‏ Isaiah 17

Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Damaskosy

1Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy. 2Efa lao ny tanànan’ i Aroera ka ho an’ ny andian’ ny ondry aman’ osy, handry ao ireo, ka tsy hisy hanaitaitra azy, 3Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; Ary izay sisa amin’ i Syria dia hitovy voninahitra amin’ ny Zanak’ Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. 4Ary amin’ izany andro izany dia hihena ny voninahitr’ i Jakoba, ary hihena ny hataviny. 5Ary ho tahaka ny fanangon’ ny olona ny vary an-tahony amin’ ny fararano izany, ka tangosan’ ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon’ ny olona salohim-bary eny amin’ ny lohosahan’ ny Refaïta; 6Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin’ ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin’ ny rantsan’ ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. 7Amin’ izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin’ ny Isiraely, 8Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan’ ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon’ ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha
Anaran’ andriamani-tsi-izy, na ny sariny.
, na ny tsangankazo
Na: tsangam-bato.
ho an’ ny masoandro.
9Amin’ izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an’ ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan’ ny olona teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely, ka dia ho foana ny tany. 10Fa nanadino an’ Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin’ ny firenena hafa no nambolenao teo; 11Tamin’ ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin’ ny andro fangirifiriana
Na: Nefa ho levona ny vokatra amin’ ny andro hahazoana azy.
sy fanaintainana tsy azo sitranina.

Ny handringanana ny Asyriana

12Indrisy ny fihahohahon’ ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon’ ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon’ ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon’ ny rano manonja ny firohondrohony! 13Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon’ ny rano be ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin’ ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin’ ny tadio. 14Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran’ izay mamabo antsika sy tambin’ izay mandroba antsika.
Copyright information for Mg1865