Isaiah 24
Ny hitsarana ny tany, sy ny hanjakan’ i Jehovah ao Ziona
1Indro, Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy ary mampihohoka azy ka manely izay mponina ao aminy. 2Koa ho sahala ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampisambotra sy ny mpisambotra, ny mpampanàna vola sy ny mpanana vola. 3Hatao foana dia foana ny tany, ary hobaboina dia hobaboina tokoa izy, fa Jehovah no efa niteny. 4Misaona sy malazo ny tany; Milofika sy malazo izao tontolo izao; Milofika ny lehibe indrindra amin’ ny olona etỳ an-tany. 5Ary ny tany dia efa voavetavetan’ ny mponina ao aminy, satria nandika ny lalàna sy nanota ny didy izy ary nivadika ny fanekena mandrakizay. 6Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany, ary ny mponina ao dia valiana noho ny helony, sady voadotra ny mponina amin’ ny tany ka dia olona vitsy foana no sisa ao. 7Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny taro-boaloboka, misento avokoa ilay nifaly am-po; 8Mitsahatra ny firavoravoana amin’ ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban’ ny niravoravo; Mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga; 9Tsy mihira eo am-pisotroan-divay intsony izy, mangidy amin’ izay misotro azy ny toaka; 10Rava ny tanana be fikorontanana, mirindrina ny trano rehetra ka tsy azo idiran’ olona; 11Misy fitarainana divay eny an-tsaha, tafalentika toy ny masoandro ny fifaliana rehetra; Voaroaka ny faharavoravoan’ ny tany. 12Fahafoanana ihany no sisa ao an-tanàna, satria rava sady montsamontsana ny vavahady, 13Fa ao amin’ ny tany, ao amin’ ny olona, dia hisy toy ny amin’ ny fikapohana hazo oliva sy ny fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa tapitra ny andro fiotazana azy. 14Ireo dia hanandratra ny feony ka hihoby; Noho ny fahalehibiazan’ i Jehovah dia hiantso mafy eny amin’ ny ranomasina izy hoe: 15Mankalazà an’ i Jehovah any amin’ ny tany atsinanana, dia ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any amin’ ny amoron-dranomasina. 16Hatrany am-paran’ ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an’ ny marina. Fa hoy izaho: Indrisy izato halevonako! Indrisy ity halevonako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka fatratra. 17Tahotra sy longoa ary fandrika no mahazo anao, ry mponina amin’ ny tany. 18Ary izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy ao anatin’ ny lavaka dia ho voan’ ny fandrika; Fa misy varavarana mivoha any amin’ ny avo, ary mihorohoro ny fanorenan’ ny tany. 19Rava dia rava ny tany; Mitresaka dia mitresaka ny tany; Mihorohoro dia mihorohoro ny tany; 20Mivembena dia mivenbena tahaka ny mamo ny tany ka mitsingevaheva toy ny fandriana mihantona; ary mitambesatra aminy ny fahadisoany, dia potraka izy ka tsy ho tafarina intsony. 21Ary amin’ izany andro izany dia any an-danitra no hamalian’ i Jehovah ny antokon’ ny lanitra, ary etỳ an-tany kosa ny mpanjakan’ ny tany. 22Dia hangonina ao an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny ka hohidiana ao an-trano-maizina, ary rehefa afaka andro maro, dia hovangiana ▼▼Na: hovaliana.
ihany izy. 23Dia hivoara-mena ny volana, ary hivaloarika ny masoandro, fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, ary eo anatrehan’ ny loholony dia misy voninahitra.
Copyright information for
Mg1865