‏ Isaiah 61

Ny amin’ ny Voahosotr’ i Jehovah, Izay hanavotra ny Isiraely sy hampody ny voninahiny

1Ny Fanahin’ i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana
Heb hamehy.
ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ ny mazava,
2Hitory taona ankasitrahan’ i Jehovah sy andro famalian’ Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra, 3Hanolotra ho an’ ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon’ ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon’ ny fahamarinana, nambolen’ i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra. 4Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin’ ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin’ ny taranaka lasa ela. 5Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman’ osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo, 6Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron’ i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo
Heb Hohaninareo.
ny haren’ ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo
Na: Ary ho reharehanareo sy voninahiny.
.
7Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin’ ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin’ ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy. 8Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin’ ny faharatsiana
Na: Halako ny halatra atao fanatitra odorana.
; homeko ny valin’ asany amin’ ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy.
9Ny taranany ho fantatra any amin’ ny jentilisa ary ny terany any amin’ ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin’ i Jehovah. 10Hifaly dia hifaly amin’ i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’ Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany. 11Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan’ i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ ny firenena rehetra.
Copyright information for Mg1865