‏ James 4

Fananarana ny tia ady sy ny mpisintaka sy ny manendrikendrika ary ny tsy manaiky ny fitondran’ Andriamanitra

1Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin’ ny momba ny tenanareo? 2Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra
Na: mialona.
ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.
3Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin’ ny filanareo. 4Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’ izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’ izao tontolo izao, dia fahavalon’ Andriamanitra izy. 5Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masìna
Na: ny Soratra Masìna hoe.
? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika
Na: izay mitoetra ato anatintsika.
dia iriny amin’ ny fahasaro-piaro
Na: Ny Fanahy, Izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin’ ny fahasaro-piaro; na: Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin’ ny fialonana.
.
6Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ ny manetry tena” e. 7Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. 8Manatòna an’ Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. 9Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo. 10Manetre tena eo anatrehan’ ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy. 11Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao, dia tsy mpankatò ny lalàna, fa mpitsara. 12Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao? 13He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra, 14kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona. 15Fa aleo manao izao: Raha sitrapon’ ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany. 16Fa izao dia mirehareha amin’ ny fahasahianareo ianareo; ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. 17Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.
Copyright information for Mg1865