‏ Jeremiah 10

Ny mahatsinontsinona ny sampy, ary ny fampisehoana ny voninahitr’ i Jehovah sy ny fahatezerany

1Henoy ny teny izay lazain’ i Jehovah aminareo, ry taranak’ Isiraely! 2Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mianatra ny fanaon’
Heb didin’
ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo famantarana eny amin’ ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany.
3Fa ny fanaon’ ny firenena dia zava-poana; Fa hazo nokapaina tany an’ ala ireny, dia asan-tànan’ ny mpiasa amin’ ny famaky; 4Volafotsy sy volamena no an-dravahany azy, ary hombo sy tantanana no entiny manamafy azy, mba tsy hihetsiketehany. 5Toy ny hazo voasana ho sari-drofia
palma.
izy, fa tsy mahateny; Ary entina ihany izy, fa tsy mba afa-mandeha; Aza matahotra azy, fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.
6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; Lehibe Hianao, ary lehibe amin’ ny hery ny anaranao. 7Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ ny firenena! Fa Hianao no iendrehan’ izany, eny, amin’ ny hendry rehetra amin’ ny firenena sy amin’ ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao. 8Fa ketrina sy adala avokoa izy rehetra; He! fananaram-poana! fa tapa-kazo ihany. 9Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan’ ny mpiasa sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan’ ny mahay zavatra izy rehetra. 10Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Izay mampihorohoro ny tany amin’ ny fahatezerany, ka tsy tantin’ ny firenena ny fahavinirany 11(Izao no holazainareo amin’ ireny; Ny amin’ ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin’ ny tany na ho atỳ ambanin’ ny lanitra ireny) 12Dia Ilay nanao ny tany tamin’ ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ ny fisainany. 13Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin’ ny faran’ ny tany; Manao ny helatra ho amin’ ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ ny firaketany. 14Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, sady tsy misy fofon’ aina ao aminy. 15Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin’ ny andro hamaliana azy dia ho levona izy. 16Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’ i Jakoba; Fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany. 17Angony ny korontan’ entanao, ka ento hiala amin’ ny tany, ry ilay mipetraka ao amin’ ny haterena! 18Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hatorako ho indray misidina toy ny vaton’ antsamotady ny mponina amin’ ny tany, ary hataoko terỳ izy mba hahitany. 19Mahita loza aho, fa torotoro! Tsy azo sitranina ny feriko; Nefa hoy Izaho: Anjara-fahoriako izao, ka dia hozakaiko ihany. 20Rava ny laiko, ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko; Lasa ny zanako, ka tsy misy intsony, eny, tsy misy hamelatra ny laiko intsony na hanantona ny ambain-daiko. 21Fa efa ketrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady an’ i Jehovah; Izany no tsy mahahendry azy, ka dia miely ny ondry andrasany rehetra. 22Injany! misy siosion-teny hoe: Indro, tamy izy amin’ ny fihorakorahana be avy any amin’ ny tany avaratra mba hahatonga ny tanànan’ ny Joda ho lao sy ho fonenan’ ny amboadia. 23Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ ny olombelona ny lalan-kalehany, na an’ ny mpandeha ny hahalavorary ny diany 24Jehovah ô, anaro aho, nefa araka ny antonony ihany, fa tsy amin’ ny fahatezeranao, fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho. 25Aidino amin’ ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin’ ny taranaka Izay tsy miantso ny anaranao. Fa efa nihinana an’ i Jakoba ireo, eny, nihinana sy nahalevona azy ary nahalao ny fonenany.
Copyright information for Mg1865