‏ Leviticus 10

Ny nitondran’ i Nadaba sy Abiho afo tsy izy, sy ny nataon’ Andriamanitra noho izany

1Ary Nadaba sy Abiho, zanak’ i Arona, samy naka ny fitondran’ afony avy ka nanisy afo teo anatiny, ary nanisy ditin-kazo manitra teo, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’ i Jehovah, izay tsy nandidiany azy. 2Dia nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ i Jehovah ka nahafaty azy roa lahy, dia maty teo anatrehan’ i Jehovah izy. 3Dia hoy Mosesy tamin’ i Arona: Izany dia ilay nolazain’ i Jehovah hoe: Amin’ izay akaiky Ahy no hisehoako ho masìna, ary eo anatrehan’ ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona. 4Ary Mosesy dia nampaka an’ i Misaela sy Elzafana, zanak’ i Oziela, rahalahin-drain’ i Arona, ka nanao taminy hoe: Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan’ ny fitoerana masìna ho eny ivelan’ ny toby. 5Dia nanatona izy roa lahy ka nitondra azy, mbola miakanjo ny akanjo lavany ihany, ho eny ivelan’ ny toby, araka izay efa nolazain’ i Mosesy. 6Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona ary tamin’ i Eleazara sy Itamara, zananilahy: Aza mirakaraka volo, na mandriatra ny akanjonareo, fandrao mba maty koa ianareo, sady hisy fahatezerana hahatratra ny olona rehetra; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak’ Isiraely rehetra, no hitomany noho ny fahamaizana izay narehitr’ i Jehovah. 7Ary aza miala eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, fandrao maty ianareo; fa efa mby aminareo ny diloilo fanosoran’ i Jehovah. Dia nanao araka ny tenin’ i Mosesy izy. 8Ary Jehovah niteny tamin’ i Arona ka nanao hoe: 9Aza misotro divay na toaka ianao, na ny zanakao, raha miditra ao amin’ ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo (ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany), 10ary mba hahaizanareo manavaka ny masìna sy ny tsy masìna, ary ny madio sy ny tsy madio, 11ary mba hampianarinareo ny Zanak’ Isiraely ny didy rehetra izay nasain’ i Jehovah holazain’ i Mosesy taminy. 12Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona ary tamin’ i Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny fanatitra hohanina izay sisa amin’ ny fanatitra natao tamin’ ny afo ho an’ i Jehovah, ka hano eo anilan’ ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa masìna dia masìna izany. 13Ary hano eo amin’ izay fitoerana masìna izany, fa anjaranao sy ny zanakao avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany; fa izany no nandidiany ahy. 14Ary ny tratrany ahevaheva sy ny sorony asandratra hohaninareo eo amin’ izay fitoerana madio, dia ianao mbamin’ ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy koa; fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin’ ny fanati-pihavanana aterin’ ny Zanak’ Isiraely. 15Ny sorony asandratra sy ny tratrany ahevaheva mbamin’ ny saborany izay fanatitra atao amin’ ny afo dia ho entiny mba hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; dia ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo mandrakizay, araka izay nandidian’ i Jehovah. 16Ary Mosesy nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra noho ny ota, kanjo efa voadotra izany; dia tezitra tamin’ ny zanak’ i Arona sisa izy, dia tamin’ i Eleazara sy Itamara, ka hoy izy: 17Nahoana no tsy nohaninareo teo amin’ ny fitoerana masìna ny fanatitra noho ny ota? fa masìna dia masìna izany, ary efa nomeny anareo izy hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah. 18Indro, ny ràny tsy nampidirina tao anatin’ ny fitoerana masìna, koa tokony ho nihinana azy mihitsy teo amin’ ny fitoerana masìna ianareo, araka izay nandidiako. 19Ary Arona niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Indro, androany no nanaterany ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany teo anatrehan’ i Jehovah, ary efa azon’ izao manjo izao aho; koa raha tàhiny nihinana ny fanatitra noho ny ota androany aho, moa ho tsara teo imason’ i Jehovah va izany? 20Ary raha ren’ i Mosesy izany, dia nankasitrahany.
Copyright information for Mg1865