Leviticus 24
Ny amin’ ny fanamboarana ny jiro sy ny fanaovana ny mofo aseho
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: 2Mandidia ny Zanak’ Isiraely hitondra aminao diloilon’ oliva tsara voavely hatao fanazavana, hampirehetana jiro mandrakariva. 3Eo ivelan’ ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin’ ny trano-lay fihaonana, no handaharan’ i Arona azy, hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina, eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany. 4Eo amin’ ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah. 5Ary makà koba tsara toto, ka endaso ho mofo roa ambin’ ny folo; roa ampahafolon’ ny efaha no hatao mofo iray. 6Ary mandahara ireo eo ambonin’ ny latabatra tsara eo anatrehan’ i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana. 7Ary asio ditin-kazo mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin’ ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah. 8Isan-tSabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah; ho avy amin’ ny Zanak’ Isiraely izany, dia fanekena mandrakizay. 9Ary ho an’ i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin’ izay fitoerana masìna; fa masìna dia masìna ho an’ ny mpisorona izany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo: lalàna mandrakizay izany.Ny amin’ ny fampijaliana izay miteny ratsy ny anaran’ i Jehovah mbamin’ ny valin’ ny famonoana
10Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin’ ny Zanak’ Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray. 11Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin’ i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin’ i Dibry avy tamin’ ny firenen’ i Dana izy); 12ary nambenany izy, mandra-paha-fantany izay ho didin’ i Jehovah. 13Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: 14Avoahy ho eny ivelan’ ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tànany amin’ ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy. 15Ary mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an’ Andriamaniny dia ho meloka, 16Fa izay miteny ratsy ny anaran’ i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy. 17Ary izay mahafaty olona dia hatao maty tokoa. 18Fa izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy: biby solon’ ny biby. 19Ary raha misy obona manakilema ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy kosa: 20tapaka solon’ ny tapaka, maso solon’ ny maso, nify solon’ ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin’ ny olona no hatao aminy kosa. 21Ary izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hatao maty. 22Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 23Ary Mosesy niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely, dia navoakany teny ivelan’ ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Copyright information for
Mg1865