Psalms 103
Fiderana an’ Andriamanitra noho ny fahatsarany sy ny famindram-pony
Nataon’ i Davida.
1 Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masìna. 2Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, 3Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra, 4Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao, 5Izay mahavoky soa ny vavanao ▼▼Na: fanahinao, na fahanteranao.
; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ ny voromahery ▼▼Na: ho toy ny voromahery.
. 6Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin’ izay rehetra ampahorina. 7Efa nampahafantatra an’ i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak’ Isiraely nampahafantariny ny asany. 8Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po. 9Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay. 10Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika. 11Fa tahaka ny hahavon’ ny lanitra ambonin’ ny tany No haben’ ny famindram-pony amin’ izay matahotra Azy. 12Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. 13Tahaka ny fiantràn’ ny ray ny zanany No fiantran’ i Jehovah izay matahotra Azy; 14Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika. 15Tahaka ny ahitra ny andron’ ny zanak’ olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny, 16Satria tsofin’ ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany. 17Fa ny famindram-pon’ i Jehovah dia hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’ izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin’ ny taranaka. 18Dia amin’ izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny. 19Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao. 20Misaora an’ i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon’ ny teniny. 21Misaora an’ i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony. 22Misaora an’ i Jehovah, ny asany rehetra eran’ ny fanjakany; Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko.
Copyright information for
Mg1865