‏ Psalms 139

Fankalazana an’ Andriamanitra, Izay mahalala ny zavatra rehetra sady manerana izao rehetra izao

Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida.

1

Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.
2Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. 3Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. 4Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ ny lelako, Jehovah ô. 5Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao amiko ny tananao. 6Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, Eny, avo loatra ka tsy tratro. 7Aiza no hialako amin’ ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao? 8Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita
Heb Sheola.
ho fandriako aza aho, indro, any Hianao.
9Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran’ ny ranomasina, 10Dia mbola entin’ ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin’ ny tananao ankavanana. 11Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, 12Tsia
Na: Na dia hoy izaho aza: Hanarona ahy tokoa ny maizina, Dia ny alina aza no ho mazava manodidina ahy; Eny, etc.
, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina.
13Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao. 14Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. 15Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin’ ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ ny tany. 16Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin’ ny bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza. 17Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ ny isany! 18Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany. 19Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô
Na: Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô.
, Ary mialà amiko, ianareo mpandatsa-drà.
20Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana. 21Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra
Heb ho maloiloy.
amin’ izay mitsangana hanohitra Anao?
22Halako dia halako marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny. 23Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; 24Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin’ ny lalana mandrakizay aho.
Copyright information for Mg1865