‏ Psalms 29

Fiderana an’ Andriamanitra noho ny heriny sy ny fiandrianany izay miseho amin’ ny kotrokorana

Salamo nataon’ i Davida.

1

Manomeza an’ i Jehovah, ry zanak’ Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’ i Jehovah.
2Omeo an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìna. 3Ny feon’ i Jehovah no eny ambonin’ ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin’ ny rano be. 4Ny feon’ i Jehovah be hery; Ny feon’ i Jehovah be voninahitra. 5Ny feon’ i Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona. 6Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak’ omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga. 7Ny feon’ i Jehovah mampisaraka ny lelafo; 8Ny feon’ i Jehovah mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr’ i Kadesy. 9Ny feon’ i Jehovah mampiteraka ny dieravavy, ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny samy manao hoe: Voninahitra e! 10Jehovah nipetraka teo ambonin’ ny safo-drano; eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay. 11Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin’ ny fiadanana.
Copyright information for Mg1865