Psalms 58
Ny amin’ ny famaliana ny mpanao fitsarana tsy marina
Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’ i Davida.
1 2Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina ▼▼Na: Moa milaza ny maraina tokoa va ianareo, ry mahery?
? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak’ olombelona? 3Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan’ ny tananareo etỳ an-tany ianareo. 4Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga. 5Misy poizina tahaka ny an’ ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy, 6Ka tsy mihaino ny feon’ ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza. 7Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan’ ny liona tanora, Jehovah ô. 8Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny; 9Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy. 10Dieny tsy mbola mafanan’ ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin’ ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina. 11Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin’ ny ran’ ny ratsy fanahy izy; 12Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny ▼▼Heb vokatra.
tokoa ho an’ ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin’ ny tany.
Copyright information for
Mg1865