‏ Psalms 72

Ny handrosoan’ ny fanjakan’ ny mpanjaka voatendrin’ Andriamanitra

Nataon’ i Solomona.

1

Andriamanitra ô, omeo ho an’ ny mpanjaka ny fitsarànao, ary ho an’ ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.
2Hitsara
Na: Aoka, etc.
ny olonao amin’ ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin’ ny fahitsiana.
3Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an’ ny olona, eny, ny havoana koa amin’ ny fahamarinana. 4Hitsara ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory. 5Hatahotra anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro sy ny volana hatramin’ ny taranaka fara mandimby. 6Hidina tahaka ny ranonorana amin’ ny saha voajinja izy, tahaka ny ranonorana mivatravatra amin’ ny tany. 7Ny marina hitrebona amin’ ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony. 8Ary hanjaka hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina izy, ary hatramin’ ny ony
Eofrata.
ka hatramin’ ny faran’ ny tany.
9Ny mponina any an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka. 10Ny mpanjakan’ i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan’ i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana. 11Ary ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy. 12Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; 13Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ ny malahelo. 14Hanavotra ny fanahiny amin’ ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny ràny. 15Dia ho velona ireny ka hanome azy
Na: Dia ho velona Izy ka homena.
volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy mandrakariva, izy, ary isan’ andro no hisaorany azy.
16Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon’ ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin’ ny tany. 17Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra . 18Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana; 19Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena. 20Tapitra ny fivavak’ i Davida, zanak’ i Jese.
Copyright information for Mg1865