‏ Psalms 97

Ny fisehoan’ ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ ny hery izay maharava ny sampy, fa mahasoa ny mpanompon’ Andriamanitra kosa

1Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro. 2Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandrianany. 3Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina. 4Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro. 5Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan’ i Jehovah, Dia eo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany rehetra. 6Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny. 7Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin’ ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan’ i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra. 8Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin’ i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô. 9Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin’ ny tany rehetra; Efa avo ambonin’ ny andriamanitra rehetra Hianao. 10Hianareo izay tia an’ i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin’ ny olony masìna Izy Ary mamonjy azy amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy. 11Ny fahazavana no voafafy ho an’ ny marina, Ary ny fifafiana ho an’ ny mahitsy fo. 12Mifalia amin’ i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masìna
Na: ny fahatsiarovana ny fahamasinany.
.
Copyright information for Mg1865