Revelation of John 16
1Ary nahare feo mahery avy tao amin’ ny tempoly aho nanao tamin’ ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin’ ny tany ny ao amin’ ny lovia fito feno ny fahatezeran’ Andriamanitra. 2Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin’ ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan’ ny sariny. 3Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny ranomasina; dia nody rà tahaka ny ran’ ny olona maty ny ranomasina: ary maty ny zava-manan’ aina rehetra tao aminy. 4Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny. 5Ary nahare ny anjelin’ ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masìna, satria efa nitsara toy izany Hianao; 6fa ny ran’ ny olona masìna sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany. 7Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao. 8Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin’ ny afo izy. 9Ary main’ ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy ▼ ny anaran’ Andriamanitra, Izay manam-pahelana amin’ ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy. 10Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny seza fiandrianan’ ilay bibi-dia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana, 11dia niteny ratsy ▼ an’ Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin’ ny asany. 12Ary ny fahenina nampidina ny tao an-doviany tamin’ i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny lalan’ ireny mpanjaka avy any amin’ ny fiposahan’ ny masoandro. 13Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin’ ny vavan’ ilay dragona sy tamin’ ny vavan’ ilay bibi-dia ary tamin’ ny vavan’ ilay mpaminany sandoka. 14Fa fanahin’ ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin’ ny mpanjaka amin’ izao tontolo izao, mba hanangona ary ho amin’ ny adin’ ilay andro lehiben’ Andriamanitra Tsitoha. 15(Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ▼▼Gr. miari-tory.
ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany.) 16Ary nangoniny ho any amin’ ny tany atao amin’ ny teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny. 17Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny rivotra; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin’ ny tempoly, teo amin’ ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita. 18Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’ olona tetỳ ambonin’ ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. 19Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan’ ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan’ Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain’ ny firehetan’ ny fahatezerany. 20Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony. 21Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin’ ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an’ Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin’ ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.
Copyright information for
Mg1865