Revelation of John 18
Ny amin’ ny nandravana an’ i Babylona, sy ny nisaonan’ ny olona azy
1Rehefa afaka izany, dia hitako fa indro, nisy anjely izay koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain’ ny voninahiny. 2Ary niantso tamin’ ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan’ ny demonia sy fieren’ ny fanahy maloto rehetra ary akanin’ ▼▼Gr. tranomaizina.
ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina. 3Fa tamin’ ny divain’ ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan’ ▼▼Na: (nisotrohan’)
ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan’ ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin’ ny tany tonga mpanankarena noho ny hafatratry ny nitiavan’ io ny zava-mahafinaritra ny tena. 4Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. 5Fa ny fahotany efa nitehika tamin’ ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony. 6Mamalia azy araka izay nataony, ka omeo azy indroa heny toy ny nataony izy; ny kapoaka izay nofenoiny ▼▼Gr. noharoharoiny.
, dia fenoy ▼▼Gr. haroharoy.
indroa heny ho azy. 7Toraka itsy niderany tena sy nivelomany tamin’ ny zava-mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa izy, satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho; 8koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon’ ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy. 9Ary ny mpanjakan’ ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin’ ny zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra sy hitomany ary, raha mahita ny setroky ny fandoroana azy; 10eny, hijanona eny lavitra eny izy noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Babylona, izay tanàna lehibe! ry ilay tanàna mafy! fa tamin’ ny ora izay monja dia tonga ny fitsarana anao. 11Ary ny mpandranto amin’ ny tany dia hitomany sy hisaona azy; fa tsy hisy mpividy intsony ny entany: 12dia entana volamena sy volafotsy sy vato soa sy perila sy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy landy sy jaky sy hazo mani-pofona, sy ny fanaka ivory rehetra mbamin’ ny fanaka rehetra amin’ ny hazo saro-bidy indrindra sy varahina sy vy ary vato sanga, 13sy havozomamy sy zavatra mani-pofona ▼▼Gr. amoma.
sy ditin-kazo sy menaka manitra sy ditin-kazo mani-pofona ▼▼lebona: izahao Eks 30. 34 .
, sy divay sy diloilo sy lafarina tsara toto sy vary tritika sy omby sy ondry sy soavaly sy kalesy ary tena sy ain’ olona. 14Ary ny vokatra soa ▼▼Na: voan-kazo.
nirin’ ny fanahinao dia efa niala taminao, ary ny zava-tsoa rehetra sy ny zava-malaza rehetra dia efa levona tsy ho anao, ary tsy ho hita intsony mandrakizay ireo. 15Ny mpandranto izany zavatra izany, izay efa tonga mpanankarena taminy, dia hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hitomany sy hisaona 16ary hanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nitafy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila! 17Fa tamin’ ny ora iray monja no nahafoana ny harena be toy izany. Ary ny mpitondra sambo rehetra sy izay rehetra mandeha eny ambonin’ ny ranomasina sy ny matilo ary izay rehetra manao raharaha any an-dranomasina dia nijanona teny lavitra eny, 18ary raha nahita ny setroky ny fandoroana ary, dia niantso nanao hoe: Aiza intsony re no misy tahaka izany tanàna lehibe izany? 19Ary nanopy vovoka hiraraka tamin’ ny lohany izy, dia niantso sady nitomany sy nisaona ka nanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nampanan-karena izay rehetra manan-tsambo eny amin’ ny ranomasina noho ny zava-tsaro-bidy tao aminy; fa tamin’ ny ora iray monja no nahafoana izany. 20Mifalia noho izay zavatra nanjo azy ianao, ry lanitra, sy ianareo olona masìna sy ianareo Apostoly, ary ianareo mpaminany; fa Andriamanitra efa nitsara azy ka namaly azy noho ny taminareo. 21Ary nisy anjely mahery anankiray nibata vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, dia nanipy izany tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an’ i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy. 22Ary ny feon’ ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka mozika sy ny mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra dia tsy ho re eo aminao intsony; ary ny mpiasa rehetra mahay zavatra na inona na inona tsy ho hita eo aminao intsony; ary ny feon’ ny vato fikosoham-bary tsy ho re eo aminao intsony; 23ary ny fahazavan’ ny jiro tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon’ ny mpampakatra sy ny ampakarina tsy ho re eo aminao intsony; fa lehiben’ ny tany ny mpandrantonao; fa ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra. 24Ary teo anatiny no nahitana ny ran’ ny mpaminany sy ny olona masìna sy itsy rehetra novonoina teny ambonin’ ny tany.
Copyright information for
Mg1865