Romans 3
1Koa inona ary no tombony ananan’ ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin’ ny famorana? 2Be ihany amin’ ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin’ Andriamanitra ho adidiny. 3Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan’ Andriamanitra? 4Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin’ ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady ▼▼Na: tsaraina.
,
b. 5Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’ Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! ― miteny araka ny fanaon’ ny olona aho ― 6Sanatria izany! Fa raha izany, hataon’ Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao? 7Fa raha ny fahamarinan’ Andriamanitra kosa no nitombo tamin’ ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray? 8Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian’ ny soa isika,― araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan’ ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny. 9Ahoana ary? Manan-kavaly ▼▼Na: Latsaka noho ireny va isika?
va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa ▼▼Gr. Grika.
; 10araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza; 11Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an’ Andriamanitra. 12Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza e. 13Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka f; Ny poizin’ ny menarana no ao ambanin’ ny molony g; 14Feno ozona sy fangidiana ny vavany h; 15Ny tongony mimaona handatsa-drà; 16Fandravana sy fandringanana no eo amin’ ny alehany; 17Ary ny lalan’ ny fiadanana dia tsy fantany i; 18Tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra eo anoloan’ ny masony j. 19Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ ny lalàna dia lazainy amin’ izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra izao tontolo izao, 20satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ ny ota. Ny fanamarinan’ Andriamanitra maimaimpoana ny mino an’ i Kristy
21Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, tsy amin’ ny lalàna anefa, fa ambaran’ ny lalàna sy ny mpaminany, 22dia ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy ▼▼Ampio hoe: (ho an’ ny olona rehetra sy)
ho an’ izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, 23fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra, 24nefa hamarinina maimaimpoana amin’ ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’ i Kristy Jesosy, 25Izay nasehon’ Andriamanitra tamin’ ny ràny ho fanavotana ▼▼Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana.
amin’ ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin’ ny tsy namalian’ Andriamanitra ny fahotana lasa tamin’ ny nandeferany, 26mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’ i Jesosy. 27Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin’ ny lalàna manao ahoana? amin’ ny lalàn’ ny asa va? Tsia; fa amin’ ny lalàn’ ny finoana. 28Koa amin’ izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ ny lalàna. 29Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an’ ny jentilisa koa? Eny, an’ ny jentilisa koa; 30fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin’ ny finoana. 31Koa mahafoana ny lalàna amin’ ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.
Copyright information for
Mg1865