Titus 2
Ny mety hataon’ ny anti-panahy sy ny tanora fanahy sy ny mpanompon’ olona, ary fananarana sy hafatra samy hafa
1Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema ▼▼Gr. salama.
; 2ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka ▼▼Gr. salama.
amin’ ny finoana, amin’ ny fitiavana, amin’ ny faharetana. 3Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masìna, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin’ ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara, 4mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany, 5hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ▼ ny tenin’ Andriamanitra. 6Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena; 7ka amin’ ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin’ ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana, 8ny teny tsy misy kilema ▼▼Gr. salama.
, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo. 9Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin’ ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly, 10tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ ny zavatra rehetra. 11Fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, 12mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’ Andriamanitra sy ny filan’ izao tontolo izao ary ho velona amin’ ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ izao fiainana ankehitriny izao, 13miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ ny voninahitr’ Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy ▼▼Na: Andriamanitra lehibe sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika.
, 14Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ ny asa tsara izany. 15Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin’ ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.
Copyright information for
Mg1865