Zechariah 10
1Mangataha ranonorana amin’ i Jehovah ianareo amin’ ny andro fara-orana, Dia amin’ i Jehovah, Izay manao ny helatra; Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny. 2Fa ny sampy ▼▼Heb terafima.
niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry. 3Amin’ ny mpiandry ondry no irehetan’ ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, efa namangy ny taranak’ i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin’ ny ady. 4Avy ao aminy no hihavian’ ny fehizoro, Avy ao aminy no hihavian’ ny fihantonan-javatra, Avy ao aminy no hihavian’ ny tsipìka fiadiana, Avy ao aminy no hihavian’ ny mpampahory rehetra. 5Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin’ ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly. 6Hampahery ny taranak’ i Joda Aho, Ary ny taranak’ i Josefa hovonjeko ka hampodiko ▼▼Na: hamponeniko.
, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy. 7Ho toy ny lehilahy mahery Efraima, Ary hifaly toy ny azon’ ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho faly; Hifaly amin’ i Jehovah ny fony. 8Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy. 9Ary hafafiko any amin’ ny firenena izy, Ka any amin’ ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy ▼▼Na: ary na dia hafafiko any amin’ ny firenena aza izy, dia hahatsiaro Ahy any amin’ ny tany lavitra.
; Ary samy ho velona izy mbamin’ ny zanany ka hiverina 10Dia hampody azy avy any amin’ ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin’ ny tany Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany 11Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin’ i Neily rehetra, Haetry ny avonavon’ i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan’ i Egypta. 12Dia hampahereziko ao amin’ i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.
Copyright information for
Mg1865