Isaiah 42:1-4
Ny amin’ ny Mpanompon’ i Jehovah, mpitondra famonjena ho an’ ny Isiraely sy ny firenena rehetra
1Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an’ ny jentilisa Izy. 2Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana. 3Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy. 4Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin’ ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny.
Copyright information for
Mg1865