‏ Psalms 14:1-3

Ny faharatsian’ ny olona, sy ny fanirian’ ny sasany famonjena

Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida.

1

Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.
2Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’ olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’ Andriamanitra. 3Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.
Copyright information for Mg1865