‏ 1 Corinthians 10

1Tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ireo raintsika dia tao ambanin’ny rahona avokoa ary namakivaky ny ranomasina. 2Ny rehetra dia natao batisa ho amin’i Mosesy tao amin’ny rahona sy tao amin’ny ranomasina, 3ary ny rehetra dia samy nihinana sakafom-panahy mitovy. 4Ny rehetra dia nisotro ranom-panahy mitovy. Fa izy ireo dia nisotro tamin’ny vatolampim-panahy izay nanaraka azy ireo, dia Kristy izany vatolampy izany.

5Fa Andriamanitra dia tsy nankasitraka tsara ny ankamaroan’izy ireo, ary ny fatin’izy ireo dia naparitaka tany an’efitra. 6Ankehitriny ireny zavatra ireny dia ohatra ho antsika, mba tsy haniriantsika zava-dratsy toy ny nilan’izy ireo.

7Aza manompo sampy, toy ny sasany tamin’izy ireo. Izany dia araka izay voasoratra hoe: “Ireo olona nipetraka mba hihinana sy hisotro, ary nitsangana mba hilalao.” 8Aoka isika tsy hijangajanga, toy ny nataon’ny maro tamin’izy ireo. Tao anatin’ny iray andro, dia olona telo arivo sy roa alina no maty nohon’ny amin’izany.

9Aoka ihany koa isika tsy hitsapa an’i Kristy, toy ny nataon’ny maro tamin’izy ireo ka naringan’ireo menarana. 10Aza mimonomonona ihany koa, toy ny nataon’ny maro tamin’izy ireo ka naringan’ny anjelin’ny fahafatesana.

11Ary ireny zavatra ireny no nitranga tamin’izy ireo mba ho ohatra ho antsika. Nosoratana mba ho fampianarana antsika izy ireny—ho amintsika izay niavian’ny fara-andro. 12Noho izany aoka izay mieritreritra ny tenany ho efa mijoro mitandrina tsara mba tsy hianjera. 13Tsy nisy fakam-panahy nahatratra anareo izay tsy iraisan’ny olombelona rehetra. Fa kosa, Andriamanitra dia mahatoky. Tsy hamela anareo ho alaim-panahy mihoatra izay zakanareo Izy. Miaraka amin’ny fakam-panahy dia hanome anareo ny lalana hitsoahana ihany koa Izy, mba hafahanareo miaritra izany.

14Noho izany, ry malalako, mandosira lavitry ny fanompoan-tsampy. 15Miteny aminareo toy ny olona manan-tsaina aho, mba hafahanareo mitsara izay lazaiko. 16Ny kapoakan’ny fisaorana izay isaorantsika, moa ve izany tsy fiombonana amin’ny ràn’i Kristy? Ny mofo izay vakiantsika, moa ve izany tsy fiombonana amin’ny vatan’i Kristy? 17Satria iray ihany ny mofo, isika izay maro dia vatana iray. Isika rehetra dia mandray amin’ny mofo iray ihany.

18Jereo ireo vahoakan’Israely: moa ve ireo izay mihinana ireo fanatitra tsy mpandray anjara eo amin’ny alitara? 19Inona ary no ho lazaiko? Hoe tsy misy dikany ve izany ny sampy? Sa ny sakafo izay natao fanatitra tamin’ny sampy no tsy misy dikany?

20Fa miresaka momban’ny zavatra izay ataon’ireo Jentilisa mpanompo sampy fanatitra aho, fa omen’izy ireo an’ireo demonia ireny zavatra ireny fa tsy an’ Andriamanitra. Tsy tiako ianareo ho mpiombona amin’ny demonia! 21Tsy afaka misotro ny kapoakan’ ny Tompo sy ny kapoakan’ny demonia ianareo. Tsy afaka miray eo amin’ny latabatry ny Tompo sy ny latabatr’ireo demonia ianareo. 22Sa manao izay mahasaro-piaro ny Tompo ve isika? Mahery noho Izy ve isika?

23“Ny zavatra rehetra dia ara-dalàna,” fa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa. “Ny zavatra rehetra dia ara-dalàna,” fa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso ny olona. 24Tsy misy tokony hitady ny tombontosoany manokana. Fa kosa, ny tsirairay dia tokony hitady ny tombotsoan’ny namany.

25Afaka mihinana izay rehetra amidy eny an-tsena ianareo, fa aza manontany ny fieritreretana. 26Fa “An’ny Tompo ny tany, sy izay rehetra misy eo aminy.” 27Raha misy tsy mpino manasa anareo hisakafo, ka maniry ny handeha ianareo, dia hano izay rehetra mipetraka eo anoloanareo ka aza mametra-panontaniana ny amin’ny fieritreretana.

28Fa raha misy miteny aminao hoe: “Ity sakafo ity dia avy amin’ny fanatitry ny mpanompo sampy,” dia aza mihinana izany. Izany dia ho an’ilay nampahafantatra anareo, sy ho an’ny fieritreretana. [Fanamarihana: Ny dika-teny taloha sasany dia manampy hoe: “Fa ny tany sy ny zavatra rehetra ao aminy dia an’ny Tompo.” Fa ny dikan-teny tsara indrindra dia tsy misy izany. ] 29Tsy miteny aho hoe ny fieritreretanao manokana, fa ny fieritreretan’ny olon-kafa. Nahoana ny fahafahako no tokony ho tsarain’ny fieritreretan’ny hafa? 30Raha mandray anjara amin’ny sakafo am-pankasitrahana aho, nahoana no tevatevaina amin’izay nanomezako fisaorana?

31Noho izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’ Andriamanitra avokoa. 32Aza manome fanafintohinana ny Jiosy na ny Grika, na ny fiangonan’Andriamanitra. Miezaka ny hahafaly ny olon-drehetra amin’ny zavatra rehetra aho. Tsy mitady ny tombontsoako aho, fa ny an’ny maro. Ataoko izany mba ho voavonjy izy ireo.

33

Copyright information for PltULB