1 Corinthians 15
1Ankehitriny mampahatsiahy anareo aho, ry rahalahy, ny amin’ny filazantsara izay nambarako taminareo, izay noraisinareo sy izay ijoroanareo. 2Amin’ny alalan’izany filazantsara izany no havoavonjy anareo, raha mihazona mafy amin’ny teny notoriako taminareo ianareo, raha tsy hoe ninonino foana. 3Fa natolotro ho zava-dehibe voalohany ho anareo izay voaraiko ihany koa: fa maty ho an’ny fahotantsika Kristy araka ny Soratra Masina, 4ary nalevina Izy, ary Izy dia natsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina. 5Kristy dia niseho tamin’i Kefasy, ary avy eo tamin’ireo roa ambin’ny folo; 6avy eo dia niseho indray mandeha tamin’ireo rahalahy mihoatry ny dimanjato Izy. Mbola velona ny ankamaroan’izy ireo, fa ny sasany dia nodimandry. 7Avy eo Izy niseho tamin’i Jakoba, avy eo tamin’ireo apostoly rehetra. 8Farany indrindra, dia niseho tamiko Izy, toy ny hoe tamin’ny zaza teraka tsy tonga volana. 9Fa izaho no kely indrindra amin’ireo apostoly. Izaho dia tsy mendrika ny antsoina hoe apostoly satria nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra aho. 10Fa nohon’ny fahasoavan’Andriamanitra no naha toy izaho ahy, ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko. Fa kosa, niasa mafy kokoa noho izy rehetra aho. Nefa tsy izaho izany, fa ny fahasoavan’Andriamanitra izay miaraka amiko. 11Noho izany na izaho izany na izy ireo, araka ny nitorianay dia araka izany no ninoanareo. 12Ankehitriny raha nambara fa Kristy dia natsangana tamin’ny maty, ahoana no hafahan’ny sasany aminareo milaza fa tsy misy ny fitsaganana amin’ny maty? 13Nefa raha tsy misy ny fitsanganana amin’ny maty, dia tsy natsangana akory Kristy; 14ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny fitorianay, ary foana ihany koa ny finoanareo. 15Koa, dia hita ho vavolombelona diso momban’ Andriamanitra izahay satria nijoro vavolombelona nanohitra an’Andriamanitra, niteny hoe natsangany Kristy rehefa tsy nanao izany Izy. 16Raha tsy natsangana ny maty, dia na Kristy aza tsy natsangana; 17ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo ary dia mbola ao amin’ny fahotanareo ianareo. 18Ary izay rehetra maty ao amin’i Kristy dia efa very ihany koa. 19Raha amin’ity fiainana ity ihany no ananantsika toky amin’ny ho avy ao amin’i Kristy, dia isika no mampahonena indrindra amin’ny olona rehetra. 20Fa ankehitriny dia efa natsangana tamin’ny maty Kristy, ilay voaloham-bokatr’ireo izay maty. 21Fa satria tonga tamin’ny alalan’ny olona iray ny fahafatesana, dia avy tamin’ny alalan’ny olona iray ihany koa no nihavian’ny fitsanganana amin’ny maty. 22Fa toy ny nahafatesan’ny rehetra tao amin’i Adama, dia ho velomina ao amin’i Kristy ihany koa ny rehetra. 23Kanefa samy ao amin’ny filaharany manokana ny tsirairay: Kristy, ilay voaloham-bokatra, ary avy eo ireo izay an’i Kristy dia ho atao velona amin’ny fiaviany. 24Avy eo dia ho tonga ny farany, rehefa homen’i Kristy ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana. Izany dia rehefa hanafoana ny fitsipika rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery Izy. 25Fa tsy maintsy manjaka Izy mandra-pametrany ny fahavalony rehetra ao ambanin’ny tongony. 26Ny fahavalo farany ho haringana dia ny fahafatesana. 27Fa “Napetrany teo ambanin’ny tongony avokoa ny zavatra rehetra.” Fa voalaza fa: “Izy no nametraka ny zavatra rehetra,” dia mazava tsara fa tsy tafiditra ao anatin’izany ilay iray nametraka ny zavatra rehetra hanaiky ny tenany. 28Rehefa manaiky Azy ny zavatra rehetra, dia ny Zanaka mihitsy no hanaiky ilay iray izay nampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy. Hiseho izany mba ho rehetra ao amin’ny rehetra ny Andriamanitra Ray. 29Na koa inona no ilaina ireo izay vita batisa ho an’ny maty? Raha tsy natsangana mihitsy ny maty, nahoana izy ireo no natao batisa ho an’izy ireo? 30Nahoana ary, isika no am-bava loza isan’ora? 31Miatrika fahafatesana isan’andro aho! Izany dia azo antoka tahaka ny fireharehako ny aminareo, izay azoko ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. 32Inona no tombony azoko, avy amin’ny fomba fijerin’ny olombelona, raha niady tamin’ny biby tao Efesosy aho, raha tsy natsangana ny maty? “Aoka isika hihinana sy hisotro satria ho faty isika rahampitso.” 33Aza mety ho fitahana hoe: “Manimba ny fisainana tsara ny naman-dratsy.” 34Mandiniha! Miainà am-pahamarinana! Aza manohy manota! Fa ny sasany aminareo dia tsy manana fahalalana an’Andriamanitra. Milaza izany ho amin’ny fahamenaranareo aho. 35Fa ny olona iray hiteny hoe: “Ahoana no nananganana ny maty, ary amin’ny karazana vatana inona no hatongavan’izy ireo?” 36Tsy mahalala na inona na inoana ianareo! Izay hafafinareo dia tsy hanomboka hitombo raha tsy maty izany. 37Izay nafafinareo dia tsy ny vatana izay ho avy, fa voa fostiny. Izany dia mety ho lasa vary na zavatra hafa. 38Fa homen’Andriamanitra azy ny vatana araka izay safidiany, ary samy amin’ny vatany avy ny voa tsirairay. 39Tsy ny nofo rehetra no mitovy. Fa kosa, iray ny nofon’ny olombelona, dia hafa ny nofon’ ireo biby, ary nofo hafa ny an’ireo vorona, ary hafa ny an’ny hazandrano. 40Misy ihany koa ireo vatana any an-danitra sy ireo vatan’ny eto an-tany. Fa karazana iray ihany ny voninahitry ny vatana any an-danitra ary hafa ny voninahitry ny eto an-tany. 41Iray ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary voninahitra hafa ny an’ireo kintana. Fa ny kintana iray miavaka amin’ny kintana iray hafa amin’ny voninahitra. 42Toy izany koa ny fitsanganana amin’ny maty. Izay afafy dia mety simba, ary izay atsangana dia tsy mety simba. 43Afafy tamin’ny fahafaham-baraka izany; dia natsangana am-boninahitra. Afafy tamin’ny fahalemena izany; dia natsangana amin’ny hery. 44Afafy amin’ny vatana voajanahary izany; dia atsangana ho vatana ara-panahy. Raha misy vatana voajanahary, dia misy vatana ara-panahy ihany koa. 45Ary efa voasoratra ihany koa fa: “Lasa fanahy velona Adama ilay lehilahy voalohany” Ilay Adama farany dia lasa fanahy manome fiainana. 46Fa tsy ny ara-panahy no tonga voalohany fa ny voajanahary, ary avy eo ny ara-panahy. 47Ny olona voalohany dia avy amin’ny tany, namboarina tamin’ny vovoka. Ny olona faharoa dia avy any an-danitra. 48Toy ilay iray namboarina tamin’ny vovoka, toy izany koa ilay olona any an-danitra, ary tahaka izany ihany koa ireo izay avy any an-danitra.. 49Toy ny nitondrantsika ny endrik’ilay olon’ny vovoka, dia hitondra ny endrik’ilay olon’ny lanitra ihany koa isika. 50Ary izao no lazaiko, ry rahalahy, fa ny nofo aman-drà dia tsy afaka ny handova ny fanjakan’Andriamanitra. Na izay mety simba handova izay tsy mety simba. 51Indro! Zava-marina miafina no ho lazaiko anareo hoe: Tsy ho faty avokoa isika rehetra, fa hovaina avokoa isika rehetra. 52Hiova isika amin’ny fotoana iray, ao anatin’ny indray mipi-maso, amin’ny trompetra farany. Haneno ny trompetra, ary ireo maty dia hatsangana ho tsy mety lo, ary dia hovaina isika. 53Fa ity vatana mety simba ity dia tsy maintsy hitafy izay tsy mety lo, ary ity vatana mety maty ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahafatesana. 54Fa rehefa mitafy ny tsy mety simba ity vatana mety simba ity, ary rehefa mitafy ny tsy fahafatesana ity vatana mety maty ity, dia ho tonga amin’ilay teny izay voasoratra hoe, “Voatelina tamin’ny fandresena ny fahafatesana.” 55“Ry fahafatesana, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana, aiza ny fanindronanao?” 56Ny ota no fanindron’ny fahafatesana, ary ny herin’ny ota dia ny lalàna. 57Fa isaorana Andriamanitra, izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika! Noho izany, ry rahalahy malalako, miorena tsara ary aza miozongozona. Miroboroboa mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy very maina ny asanareo ao amin’ny Tompo. 58
Copyright information for
PltULB